Fahaverezan' ny fahaizana miteny

Ny fahaverezan' ny fahaizana miteny dia fahaverezan' ny fahaizan' ny olona ny fiteny iray izay tsy vokatry ny aretina. Ny fiteny voakaoka dia na ny fiteny nibeazany, ho an'ireo izay nifindra monina any amin'ny tany vahiny; na ny fiteny nianarany tany am-pianarana, ho an'ireo olona izay tsy nianatra teny vahiny raha tsy tany am-pianarana. Io fahaverezana io dia tsy miankina amin'ny aretina na inona na inona na fivadihan-dela (fandaozana noterena na nirina ny fiteny nibeazany), fa miankina amin'ny tsifampiasana ny fiteny nibeazany (raha nifindra monina any ivelan-tanindrazana) na ny fampiasana be loatra ny fiteny nianarana (fampiasana azy ao anivon'ny tokantrano ho solon'ny fiteny nibeazana).

Ny fahaverezan'ny fahaizana fiteny dia hita eo amin'olon-tokana, ary noho izany tsy sahala ny fahaverezana noho ny fanerena ny sasany handao ny fiteniny.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search